Psalms 32

Ny amin’ ny famelan-keloka

Nataon’ i Davida. Maskila.

1

Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
2Sambatra ny olona izay tsy isain’ i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. 3Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva, 4Fa efa navesatra tamiko andro aman’ alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon’ ny fahamainana amin’ ny lohataona. [Sela.] 5Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin’ i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako. [Sela.] 6Izany no aoka hivavahan’ ny tsara tsara fanahy rehetra aminao amin’ izay andro hahitana Anao; eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano be, tsy hahatratra azy izany. 7Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. [Sela.] 8Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho. 9Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy, fa tsy mety manakaiky anao izy. 10Be ny fanaintainan’ ny ratsy fanahy, fa izay matoky an’ i Jehovah kosa dia ho hodidinin’ ny famindram-po. 11Mifalia amin’ i Jehovah, ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.
Copyright information for Mg1865